Ny fiainan’ny sampana:

Ny Antoko Mpihira Andon'ny Maraina dia sampana velona eto amin'ny FPMA Yvelines Fahazavana, mpikambana ao amin’ny   sampana Antoko Mpihira iraisana AMF FPMA Nasionaly sy Antoko Mpihira FPMA FAFATS.

Mihira isan'alahady ny Antoko Mpihira. Ireo hira mifanaraka amin'ny Perikopa isan'alahady ao anatin'ny iray volana dia voafantina mialoha. Zaraina mialoha any amin'ny Mpikambana izy ireo  mba hafahan'ny tsirairay mianatra mialoha. Ny famerenan-kira miaraka dia isan'alahady adin'iray alohan'ny fotoam-pivavahana, sy aorinan'ny fotoam-pivavahana.

Asabotsy iray isam-bolana no fotoana  fianaran-kira miaraka amin'ny SZM.

Ny fotoana fiarahan'ny Mpihira dia manomboka amin'ny vavaka sy fanazavana andinin-tsorara masina, tarihan'ny Mpikamana ao amin'ny Vaomieran'ny aim-panahy. Ny Mpitandrina dia manao fampianarana isaky ny enim-bolana.

Ao anatin'ny taona dia misy alahady iray hatokana ho an'ny Antoko Mpihira. Izy no mitarika ny fotoam-pivavahana, ary ny toriteny dia sangan'asa niangaliany. Asaina amin'izany ireo Antoko Mpihira avy amin'ny Fiangonana hafa.

Mikolokolo ny saina sy fanahy ny fiaraha-miasa sy ny fiombonana ao anatin'ny sampana.  Ankoatra ny fifaliana sy fahaizana mihira dia ny fifankatiavana no hiainan'ny mpikambana ao aminy.

Ny vokatry ny asa dia avy amin'ny hezaka ataon'ny mpikambana :  samy mandray anjara amin'ny fanorenana, manaraka ny teti-kasa iraisana ary mibanjinana  tanjona iray : fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra.

La vie de la section:

La chorale Andon’ny Maraina est une section vivante de la FPMA YVELINES FAHAZAVANA. Elle fait partie de la chorale FPMA Nationale et de la FPMA FAFATS Régionale.

La Chorale chante tous les dimanches. Les chants en accord avec le Péricope des dimanches de chaque mois sont sélectionnés avant la fin du mois précédent. Ces chants sont alors diffusés d'avance aux Choristes pour que chacun puisse les découvrir et les apprendre préalablement aux répétitions en groupe. Ces derniers ont lieu tous les dimanches une heure avant le culte et après le culte.  

Un samedi par mois est programmé pour les répétitions de la chorale avec la SZM.

Chaque séance de répétition débute par la prière et un commentaire de l'écriture sainte par un membre de la commission spirituelle. Le Pasteur assure l'étude biblique tous les six mois.

Le Dimanche de la chorale a lieu une fois par an. A cette occasion, la Chorale mène le culte et présente une prédication de son œuvre. Les choristes des autres églises sont invités à louer le Seigneur avec notre chorale.

Faire partie de la chorale procure un épanouissement intellectuel et spirituel. C’est se mettre au service de l’autre pour l’écouter et l’aider à progresser, dans la joie et l’amour.

Ainsi les œuvres de la chorale résultent du travail de tous les choristes : chacun apporte sa contribution au développement de la section, chacun participe à l’élaboration des projets en commun, chacun garde à l’esprit l’ultime objectif : glorifier Dieu !