EGLISE PROTESTANTE MALAGASY EN FRANCE

TAFO YVELINES FAHAZAVANA

« Ary eo ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako » Matio 16.18b

Fiaraha-mivavaky ny mpikambana vitsivitsy no niandohan’ny FPMA Yvelines Fahazavana tamin’ny janoary 2009. Nifanojo tamin’ny faniriana hanorina fiangonana protestanta teo amin’ny faritry ny Yvelines izany ; rehefa nahatsikaritra ny mpitandrina filoha lefitry ny FPMA, nandritry ny fanamasinana fanambadiana, fa maro ny malagasy nonina teo amin’ny manodidina. Ny taona manaraka dia niaraha-nanaiky ny naha fiaraha-mivavaka FPMA Yvelines Fahazavana ny fikambanana. Ny FPMA Orléans no tafo niahy talohan’ny nahatongavana ho Tafo ny taona 2012.

Rehefa avy nifindrafindra tamin’ny tokatranon’ny mpikambana sy ny karazan-tranom-piangonana maromaro ny toeram-pivavahana dia nasehon’Andriamanitra ny voninahiny ka nahazo toerana maharitra iangonana nanomboka tamin’ny novambra 2011, dia ny « Temple Protestant » ao amin’ny 9 bis avenue de la Gare 78180 Montigny Le Bretonneux.

Andriamatoa RANDRIAMANANTENA Théodore no mpitandrina nanorina sy mbola miahy ny tafo hatramin’izao.

Des cellules de prière réalisées par quelques fidèles étaient à l’origine de la FPMA Yvelines Fahazavana en janvier 2009. Ce qui coïncidait au souhait du pasteur, vice-président de la FPMA à l’époque, de créer une église protestante en Yvelines. Il avait remarqué lors d’une cérémonie de mariage religieux que nombreux étaient les malgaches qui habitaient la région. L’année suivante, la création d’une assemblée cultuelle FPMA Yvelines Fahazavana était décidée. La FPMA Orléans était la paroisse marraine jusqu’en 2012, l’année de nomination à titre de paroisse à part entière de l’association.

Après avoir tenu des cultes dans les domiciles des membres, des différentes églises, Yvelines Fahazavana a trouvé depuis novembre 2011, par la Grâce de Dieu, un lieu de rassemblement permanent qui est le Temple Protestant sis au 9 bis avenue de la Gare 78180 Montigny Le Bretonneux.

Monsieur RANDRIAMANANTENA Théodore, le fondateur, est resté jusqu’à ce jour le Pasteur officiant à la paroisse.

 Ramatoa Nirina ANDRIANIFALIARISOA – Filohan'ny FPMA Yvelines Fahazavana

nitafa sy nidinika tao amin'ny Radio Vatsy FPMA – Mars 2019

Mitotaly 300 eo ho eo ny mpiangona ankehitriny, ankizy sy olon-dehibe, ka 190 amin’ireo no mpandray fanasan’ny Tompo. Mahatratra 26 ny diakona ary 7 ny loholona. Miisa 7 koa ny sampana velona eo amin’ny tafo dia : ny Sampana Vehivavy Kristiana, Sampana Lehilahy Kristiana, Sampana Tanora Kristiana, Sampana Sekoly Alahady, Sampana Tily, Antoko Mpihira ary Sampana Zava-maneno.

Mankalaza ny Tompo noho ny nahatrarany ny tsingerin-taona faha 10 niorenany ny Yvelines Fahazavana amin’ity taona 2019 ity. « Ary eo ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako » Matio 16.18b no andalan-tsoratra masina mivoy ny fankalazana. Mizara 4 ny hetsika fankalazana dia ny fanompoam-pivavahana fanokafana, ny rindran-kira ara-pilazantsara, ny fetim-piangonana ary ny fotoam-pivavahana famaranana.

« Midera sy mankalaza, mitory ny fitiavan’ Andriamanitra  tamin’ny nanolorany ny Zanany, na amin’ny teny na amin’ny asa» no antom-pisian’ny FPMA Yvelines Fahazavana mba « Ho voninahitr’ Andriamanitra irery ihany ».

On comptabilise actuellement, 300 paroissiens, enfants et adultes confondus, dont 190 communiants. On compte 26 diacres et 7 anciens.

Il existe 7 sections vivantes : section des femmes, section des hommes, section des jeunes, école de dimanche, section scout, chorale et section musicale.

La FPMA Yvelines Fahazavana célèbre son dixième anniversaire cette année, en louant le Seigneur. « Sur cette pierre Je bâtirai mon Eglise » Mat 16.18b étant le verset conducteur de cette célébration.

4 évènements marqueront l’année : un culte d’ouverture, un concert évangélique, une fête paroissiale, un culte de clôture.

« Louer et glorifier le Seigneur, être les témoins de son Amour, Lui qui a sacrifié son Fils, en parole et par les actes » sont les principales missions de l’église pour que « la Gloire Lui revienne ».