Le LOGO, "10 ans en représentation graphique"

FITSIPIKY NY FIFANINANANA LOGOTYPE

Article 1 – Mpandray anjara (Participation) :

Misokatra ho an’ny vahoakan’ny FPMA Yvelines Fahazavana rehetra monina eto Frantsa sy ireo Zanaka am-pielezana eran-tany ny fifaninanana. Ny mpandray anjara dia mifaninana amin’ny anaran’ny tenany manokana. Ny mpandray anjara dia hameno ny tapakila fandraisana anjara (jereo etsy ambany). (Le concours est ouvert aux paroissiens et à ceux qui sont passés par la FPMA Yvelines Fahazavana. Le participant doit signer un bon de participation qui implique l’acceptation pleine et entière des modalités énoncées dans le présent règlement).

Article 2 – Ny fisokafan’ny fifaninana

Izany dia ho lazaina amin’ny filazandraharahan’ny fiangonana ny 04/11/2018 ary hitohy isan’alahady, apetraka ao amin’ny siten’ny fiangonana, compte facebook, ary alefa mail amin’ny mailing ny fiangonana. (Le concours sera annoncé dès le 04/11/2018, sur le site de l’église, sur le compte Facebook et par courriel).

Article 3 – Fomba fandraisana anjara (Modalités de participation) :

Ny logo dia atao amin’ny taratasy A4 sy / na « en support informatique » tsy misy ny anaran’ny mpandray anjara ary hidiana ao anaty valopy misy soratra hoe « LOGO » eo amboniny. (Les participants devront remettre leur projet de Logo sous format papier A4 et/ou sous format électronique (pdf), sur clé USB sous enveloppe fermée mentionnant « LOGO » mais non libellée).
Ny tapakila fandraisana anjara voafeno dia hidiana ao anaty valopy iray hafa misy soratra hoe « MPANDRAY ANJARA » eo amboniny. Ireo valopy roa ireo (Logo + Mpandray anjara) dia atao anaty valopy iray lehibe tsy misy ny anaran’ny mpandefa ary alefa paositra amin’ Atoa ANDRIAMAMPANDRY Nini, 3 rue Daniel Barberousse, 78210 ST CYR L’ECOLE na omena tànana. (Le bulletin de participation est à mettre dans une autre enveloppe portant la mention « PARTICIPANT ». Les 2 enveloppes sont à mettre dans une grande enveloppe, sans NOM, et à remettre en mains propres ou à envoyer à l’adresse sur-citée).

3.1 – Fe-potoana (date limite de dépôt) :

Ny fara-fandraisana ireo fifaninanana dia ny Alatsinainy 07/01/2019 ka ny fitomboky ny paositra no manamarina izany. (La date limite est fixée pour le 07/01/2019, cachet de la poste faisant foi).

3.2 – Logo:

Ny logo dia tsy tokony mampiseho endrika na sary mifanohitra amin’ny fiainana kristiana (éthique chretienne) ary mampiseho ny Teny Faneva araka izay hita ao amin’ny Matio 16: 18 “Ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako”. (Le logo, en conformité avec l’éthique chrétienne, devra mettre en images et en couleurs le Teny Faneva selon Matio 16 : 18 « et que sur cette pierre je bâtirai mon église »).

3.3 – Ny mpifaninana dia manambara fa izy marina no mpamorona ary tompon’ny Logo alefany. Ny logo rehetra voaray na lany na tsy lany dia lasa fananan’ny FPMA Yvelines Fahazavana ary azony ampiasaina amin’izay mety ilàny azy. Ny FPMA YVELINES FAHAZAVANA dia tsy mamerina ny vola lanin’ny mpifaninana tamin’ny fanaovany ny logo. (Chaque participant declare être l’auteur du Logo. Tous les Logos, gagnants ou non, restent une propriété de la FPMA YVELINES FAHAZAVANA et peuvent être utilisés à des fins utiles par cette dernière. Aucun remboursement des dépenses lors de la réalisation des logos n’est prévu).

Article 4 – Mpitsara (Jury):

4.1 – Ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo no mifidy ny Logo. (Les Communuants constituent les jury)
4.2 – Ny alahady 13/01/2019 aorian’ny fotoam-pivavahana no hisafidianana ny Logo. (La selection aura lieu le 13/01/2019 après le culte)
4.3 – Ny logo rehetra voaray dia tsy maintsy ho jerena araka ireto fepetra ireto: (Le logo doit comporter)

  • Ny fanehoana ny Teny Faneva araka ny Matio 16: 18 ( Le texte Mat 16:18)
  • Ny fampisehona ny faha 10
    taonan’ny FPMA YVELINES FAHAZAVANA (l’expression « 10ème anniversaire de la FPMA YVELINES FAHAZAVANA »)
  • Ny endrika maha sary ilay logo (une représentation graphique).
  • Ny fahamorana ny fampiasana ilay logo, 70x70mm raha lehibe indrindra ary azo avadika loko mainty sy fotsy, azo alehibiazina na ankelezina. (Le logo sera de dimension 70 x 70 mm maximum, en couleurs. Sa reproduction en Noir et Blanc doit être aisée. Le logo doit être fonctionnel et être utilisable dans différents contextes tout en conservant son intégrité, pouvoir être réduit en grand ou en petit).

Article 5 – Fankasitrahana: (Récompense)

Hisy mari-pankasitrahana atolotra ho an’izay voafidy. (Une récompense est prévue pour le gagnant)

Article 6 – Fampiharana ny Fitsipika

(Application du règlement)
Ny Komitin’ny Tafo no tompon’ny teny farany amin’ny fanapahan-kevitra rehetra mikasika ny fifaninanana sy ny fampiharana ny fitsipika mifehy azy na izay mety fisehoan-javatra ateraky ny tranga vaovao any aoriana.
(Le Comité Paroissial tranchera souverainement sur toute question relative à l’application du présent règlement ou toute question qui viendrait se poser ultérieurement et qui n’est pas réglée par celui-ci. Ses décisions seront sans appel).

Hira Faneva (hymne), " 10 ans en musique"

FITSIPIKY NY FIFANINANANA HIRA FANEVA

Article 1 – Mpandray anjara (Participation) :

Misokatra ho an'ny vahoakan'ny FPMA YVELINES FAHAZAVANA rehetra sy ireo zanaka ampielezana izany. (Comme le Concours du logo, le choix de l'hymne se fera dans le cadre d'un concours ouvert à tous les paroissiens ainsi que ceux qui sont passés par l’Eglise).

Article 2 – Ny fisokafan'ny fifaninana

Izany dia ho lazaina amin'ny filazandraharahan'ny fiangonana ny 04/11/2018 ary hitohy isan'alahady, apetraka ao amin'ny siten'ny fiangonana, compte facebook, ary alefa mail amin'ny mailing ny fiangonana. (Le concours sera annoncé dès le 04/11/2018, sur le site de l'église, compte Facebook et par courriel).

Article 3 – Fepetra amin'ny fandraisan'anjara (Modalité du Concours):

3.1 – Ny hira dia amin'ny Teny malagasy ary haompana amin'ny Teny Faneva araka ny Matio 16: 18. (L'hymne doit être écrite en malagasy, de préférence dactylographié, et les paroles doivent contenir le texte Teny Faneva)
3.2 – Ny hira (tonony na feony) dia tsy nalaina avy tamin'ny sangan'asan'olonkafa. (aucune copie ou aucun plagiat, même une infime partie, ne sont acceptés)
3.3 – Ny hira dia atolotra ho fananan'ny FPMA YVELINES FAHAZAVANA ka azony ampiasaina amin'ny izay mety ilàny azy. (Toutes les chansons, gagnantes ou non, restent une propriété de la FPMA Yvelines Fahazavana et peuvent être utilisées à des fins utiles par cette dernière)
3.4 – Ny mpandray anjara dia hameno ny tapakila fandraisana anjara (jereo etsy ambany). (Tout participant doit remplir le bulletin de participation ci-dessous)
3.5 – Malalaka ny gadona. (Libre choix du rythme)
3.6 – Atao feo efatra ny hira (La chanson doit être chantée avec les 4 voix)
3.7 – Ho andininy efatra raha be indrindra ary azo asiana fiverenana (Elle comporte 4 couplets au maximum avec ou sans refrain).
3.8 – Ny isan'ny andalana (phrase musicale) dia tsy mihoatra ny efapolo (40 maximum) miaraka amin'ny fiverenana. Tsy mihoatra ny 6 minitra ny halavany. Tsara (fa tsy voatery) raha vita printy ny sangan'asa. (Les phrases musicales ne doivent pas dépasser 40 et la chanson doit durer moins de 6 mn. Une version imprimée est souhaitable)

Article 4 – Fomba fandraisana anjara (Modalités de participation) :

4.1 – Ny hira manontolo (feony vita solfa na solfège + tonony) dia atao amin'ny taratasy A4, tsy asiana anaran'ny mpamoron-kira na marika mety amantarana azy, ary hidiana anaty valopy tsotra, izay misy soratra hoe « HIRA FANEVA » ny eo amboniny. (valopy voalohany) .

(L'hymne doit être transcrite en solfa ou / et en solfège puis la version chantée en fichier mp3 s’il y en a, et fermé dans une enveloppe portant la mention « HYMNE »).
4.2 – Ny tapakila fandraisana anjara dia hidiana anaty valopy tsotra iray misy soratra hoe « MPANDRAY ANJARA » eo amboniny. (valopy faharoa) (Le bulletin de participation est à mettre dans une 2nde envelope portant la mention “PARTICIPANT”).
4.3 – ireo valopy 2 ireo (« HIRA FANEVA » + « MPANDRAY ANJARA ») dia atsofoka anaty valopy lehibe iray (format A4), tsy misy anaran'ny mpandefa, ary alefa paositra amin' Atoa ANDRIAMAMPANDRY Nini, 3 rue Daniel Barberousse, 78210 ST CYR L’ECOLE na omena tànana. (Le bulletin de participation est à mettre dans une autre enveloppe portant la mention « PARTICIPANT ». Les 2 enveloppes sont à mettre dans une grande enveloppe, sans NOM, et à remettre en mains propres ou à envoyer à l’adresse sus-cité)
4.4 – Fe-potoana (date limite de dépôt) :
Ny fara-fandraisana ireo fifaninanana dia ny talata 18/12/2018 ka ny fitomboky ny paositra no manamarina izany. (La date limite est fixée pour le 18/12/2018, cachet de la poste faisant foi).

Article 5 – Fankasitrahana (prix):

Hisy mari-pankasitrahana atolotra ho an'izay voafidy. (Une récompense est prévue pour le gagnant)

Article 6 – Fifidianana

Ny alahady 13/01/2019 aorian'ny fotoam-pivavahana no hifidianana ny Hira Faneva. (La selection aura lieu le 13/01/2019 après le culte)

Article 7 – Jury:

Ny mpandray Fanasan'ny Tompo no mifidy ny hira (rehefa voavadika mp3). (Les Communuants constituent les jury)

Article 8

Ny Komitin'ny Tafo no tompon'ny teny farany amin'ny fanapahan-kevitra rehetra mikasika ny faninanana sy ny fampiharana ny fitsipika mifehy azy na izay mety ateraky ny tranga vaovao any aoriana.

(Le Comité Paroissial tranchera souverainement sur toute question relative à l'application du présent règlement ou toute question qui viendrait se poser ultérieurement et qui n’est pas réglée par celui-ci. Ses décisions seront sans appel)